Communiqué : Hoy Ramatoa Ravalomanana:  “Avelao ny zanantsika ho tompon ny ho aviny”
2 pages
Malagasy

Communiqué : Hoy Ramatoa Ravalomanana: “Avelao ny zanantsika ho tompon'ny ho aviny”

Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres
2 pages
Malagasy
Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres

Description

Antananarivo, 12 jiona 2013 Hoy Ramatoa Ravalomanana: “Avelao ny zanantsika ho tompon'ny ho aviny” Mitaredretra ny fitadiavana daty vaovao hanaovana ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika.

Informations

Publié par
Publié le 12 juin 2013
Nombre de lectures 413
Langue Malagasy

Extrait

Antananarivo, 12 jiona 2013 Hoy Ramatoa Ravalomanana:“Avelao ny zanantsika ho tompon'ny ho aviny”
Mitaredretra ny fitadiavana daty vaovao hanaovana ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika. Nampitandrina ary ny Kandidà Lalao RAVALOMANANA fa tsy tokony hanelingelenana ny fanadinan'ny ankizy malagasy izany. Nantitranteriny fa manan-danja lehibe ho an'ny zanatsika sy ho an'ny hoavin'i Madagasikara ny fanabeazana.
"Zava-dehibe tsy misy mihoatra ny fanabeazana ny ankizy. Mitebiteby aho mahita sosokevitra mampifanitsaka ny fifidianana Prezidàn'ny Repoblika amin'ny fanadinana any an-tsekoly. Tsy maintsy ialantsika lavitra mihitsy izany raha fifidianana malalaka, mampitovy lenta ny rehetra ary misokatra amin'ny rehetra no tadiavina".
"Efa ny antsasaky ny zanatsika no nandao fianarana tsy fidiny noho izao fitondrana izao, hatramin'ny 2009. Miampy 500.000 ankizy araka izany no very anatrehan'ny fanabeazana ary andraikitsika ny miatrika an'izany".
"Ny ankizy no hoavin'ity Firenentsika ity. Miantoka an'i Madagasikara ho marim-pototra ny fanabeazana azy ireo, ary antoky ny ho avy miroborobo ho an'ny fianakaviany rehetra hifandimby. Fantatro izany. Saro-bidy tsy hita hotombanana teo amin'ny fiainana ny fanabeazana azoko. Nahatonga ahy ho natoky tena izany. Fatatro tamin'izany ny zavatra haiko, ary fantatro fa hahomby amin'izay rehetra ataoko aho. Tiako hatoky tena tahaka izany ny zanak'i Madagasikara satria izany no hahatonga an'i Madagasikara handeha amim-pitokisana koa.
" Kandidan'ny Ankolafy Ravalomanana ny tenako. Hahazo vahana sy laharam-pahamehana amin'ny fitondrana izay hotarihako ny fanabeazana. Hampirisihantsika ny ankizy rehetra tsy ankanavaka hiditra an-tsekoly sy hahazo fanabeazana. Hataontsika masaka an-tsain'ny tanora ny lanjan'ny fiofanana. Izany no hahatonga azy hanam-pahalalàna sy hatoky ny ataony ary hahavita hanohy ny asantsika ho an'ny taranaka mandimby amin'ny ho avy".
"Ny fanabeazana ireo zanatsika ireo no miantoka fa ho voaro amin'ny taona maro ho avy izay rehetra nokolointsika. Izanyno hampitozo ny fitomboan-karena, hampisondrotra ny fari-piainana ary hahatonga an'i Madagasikara hatanjaka sy miray ekena sy ankatoavin'ny firenen-drehetra".
"Koa manainga antsika aho handray andraikitra ny amin'ny zanatsika, hiantoka fa hahazo vahana amin'ny fiainan'izy ireo ny fanabeazana.Avelao hiverina eo am-pelatànan'ny zanatsika ny ho aviny, tahaka izay efa nizorantsika vao efa-taona lasa izay"
Fanamarihana:
-- TAPITRA --
Ramatoa Lalao RAVALOMANANA dia kandidà hofidiana Filohan'ny Repoblika. Manolotra azy ny Ankolafy RAVALOMANANA izay fivondronan'antoko politika samy mandàla ny famerenana ny fandriam-pahalemana, ny filaminana sy ny fampiroboroboana ny soan'i Madagasikara.
Tsidiho ny takelaka Flickr an'ny Ankolafy Ravalomanana : azo akana sary amin'ny sokajiny mazava. http://www.flickr.com/photos/96646855@N04/
  • Univers Univers
  • Ebooks Ebooks
  • Livres audio Livres audio
  • Presse Presse
  • Podcasts Podcasts
  • BD BD
  • Documents Documents