Fanambaran’ny Filohan’ny Tetezamita Andriamatoa Rajoelina Andry zoma 23 aogositra 2013
3 pages
Malagasy

Fanambaran’ny Filohan’ny Tetezamita Andriamatoa Rajoelina Andry zoma 23 aogositra 2013

-

Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres
3 pages
Malagasy
Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres

Description

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY TETEZAMITA ANDRIAMATOA RAJOELINA ANDRY Zoma 23 Aogositra 2013 Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana, Amin’ny fo feno fitiavana no iarahabako anareo rehetra isan-tokan-trano, manerana ny Nosy.

Informations

Publié par
Publié le 23 août 2013
Nombre de lectures 1 350
Langue Malagasy

Extrait

FANAMBARAN’NY FILOHAN’NY TETEZAMITA ANDRIAMATOA RAJOELINA ANDRY Zoma 23 Aogositra 2013
Ry Malagasy Mpiray Tanindrazana,
Amin’ny fo feno fitiavana no iarahabako anareo rehetra isan-tokan-trano, manerana ny Nosy.
Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena, amiko dia, rariny sy hitsiny, àry Zo fototra ananan’ny Malagasy, ny misafidy malalaka ny olona izay tena tiany hitantana an’I Madagasikara.
Amin’ny maha-Filoha Mpitondra an’i Madagasikara ny tenako, sy amin’ny maha-Tompon’andraikitra voalohany ahy eto amin’ity Nosy ity, dia adidiko ny mitady sy mitondra vahaolana, eo anatrehan’ny toe-draharaha lalovantsika, àry tsy maintsy ny tombotsoa ambonin’ny Firenena, sy ny hetahetan’ny Vahoaka Malagasy, no mibaiko ahy hatrany.
1
Ny fitiavako ity Tanindrazantsika ity, no lehibe sy mavesa-danja lavitra, mihoatra noho ny hambom-poko, sy ny faniriako hilatsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena, araky ny efa nambarako ombieny ombieny rahateo.
Tsapako fa miandrandra fifidianana fatratra ny Vahoaka Malagasy.
Noho izany dia manaja ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana manokana momba ny Fifidianana (na ny “C.E.S”) ny tenako, ary manainga ny Olompirenena rehetra tsy ankanavaka, sy ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny manerana ny Nosy, mba hiara-hisalahy hanatontosa ny fifidianana, ao anatin'ny filaminana sy fandriampahalemana, araky ny daty nofaritan’ny CENIT, mba hahafahana mamarana ny Tetezamita.
Averiko indray fa : I Madagasikara no jerentsika Ny mahasoa ny Vahoaka Malagasy no banjinintsika
Tsy tiako ho tafarotsaka, ao anatin’ny vela-pandrikin’ny fampiadiana ny samy Malagasy isika, toy ny hita any amin’ny tany hafa, tsy azo ekena izany ary tsy ekeko.
Tsy mila intsony isika, olona na dia iray aza, hamoy ny ainy, noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika.
Mipetraka ho vahaolana ho an’ny Firenena ny tenako androany, ary ho vahaolana ho an’ny Firenena rahampitso.
Ny fiainana sy ny Mpitondra dia mandalo, fa ny atao dia mijanona sy mitoetra ho Tantara.
Noho izany, ny fahendrena sy ny fandeferana, no lova sy ohatra tsara hapetratsika ho an’ny Taranaka faramandimby.
Mila olona tena manana fitiavan-tanindrazana ny Firenena, olona manam-panahy, itoeran'ny fahendrena, ary indrindra indrindra matahotra an'Andriamanitra.
Koa vonona ny tenako ny hanao famindram-pahefana milamina sy ara-demokratika, ao aorian’ny fifidianana izay hirosoantsika.
Izany no fomba hanehoako ny fitiavan-tanindrazana ho anao ry Malagasy Namako.
Nametraka fitokisana tamiko ianao.
2
Koa aza manahy na malahelo, fa miaraka mijery lavitra sy mibanjina ny ho avy isika.
Ho tanteraka anie ny sitrapon’Andriamanitra.
Mamiko ary Mamintsika loatra i Madagasikara.
Masina ny Tanindrazana.
Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.
3
  • Univers Univers
  • Ebooks Ebooks
  • Livres audio Livres audio
  • Presse Presse
  • Podcasts Podcasts
  • BD BD
  • Documents Documents