Fanolorana fitaovana ho an’ny RNM – TVM ao Soalala sy Mitsinjo
3 pages
Malagasy

Fanolorana fitaovana ho an’ny RNM – TVM ao Soalala sy Mitsinjo

-

Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres
3 pages
Malagasy
Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres

Description

FAMPITAM-BAOVAO Fanolorana fitaovana ho an’ny RNM – TVM ao Soalala sy Mitsinjo Tamin’ny 11 ora atoandro, ny Alatsinainy 29 Aprily 2013, no tonga teto amin’ny foiben’ny RNM sy TVM Mahajanga ny Minisitry ny Serasera RAHAJASON Harry Laurent, tonga nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fitaovana ho an’ny haino amanjeri-manjakana (RNM – TVM) ho an’ny Distrikan’ny Soalala sy Mitsinjo. Tamin’ny fomba tsotra no nanaovana ny lanonana, ny tomponandraikitra sy ny lehiben’ny sampandrahara eo anivon’ny RNM sy TVM aty amin’ny Faritra Boeny, nohotronon’ireo Lehiben’ny Distrika roa avy any Soalala sy Mitsinjo. Ny lehiben’ny Distrikan’ny Soalala, Manjakasoa Mparany, no nandray fitenenana voalohany, ka nandritra izany no nanambarany fa “voavaha tanteraka manomboka izao ny olana iainanan’ny mpiasan’ny RNM sy TVM” ao amin’ny Distrika iadidiany, sambany hoy izy, hatramin’izay nahalehiben’ny Distrika azy, no nisy mpiasan’ny haino amanjerim-panjakana manana fitaovana maharaka ny toetrandro sy mifanaraka tanteraka amin’ny firimorimon’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny asa amin’ny Onjampeo (Radio) sy ny Fahitalavitra (Télévision). Nambaran’ity Lehiben’ny Distrikan’i Soalala ity fa : “tsy isalasalana hoy milaza fa mitondra aina vao sy fampandrosoana ny Distrika, eo amin’ny lafin’ny serasera sy fanarahana vaovao rehetra, ity ezaka ataon’ny Ministeran’ny Serasera ity.

Informations

Publié par
Publié le 29 avril 2013
Nombre de lectures 135
Langue Malagasy

Extrait

FAMPITAM-BAOVAO
Fanolorana fitaovana ho an’ny RNM – TVM ao Soalala sy Mitsinjo
Tamin’ny 11 ora atoandro, ny Alatsinainy 29 Aprily 2013, no tonga teto amin’ny foiben’ny RNM sy TVM Mahajanga ny Minisitry ny Serasera RAHAJASON Harry Laurent, tonga nanolotra amin’ny fomba ofisialy ny fitaovana ho an’ny haino amanjeri-manjakana (RNM – TVM) ho an’ny Distrikan’ny Soalala sy Mitsinjo.
Tamin’ny fomba tsotra no nanaovana ny lanonana, ny tomponandraikitra sy ny lehiben’ny sampandrahara eo anivon’ny RNM sy TVM aty amin’ny Faritra Boeny, nohotronon’ireo Lehiben’ny Distrika roa avy any Soalala sy Mitsinjo.
Ny lehiben’ny Distrikan’ny Soalala, Manjakasoa Mparany, no nandray fitenenana voalohany, ka nandritra izany no nanambarany fa “voavaha tanteraka manomboka izao ny olana iainanan’ny mpiasan’ny RNM sy TVM” ao amin’ny Distrika iadidiany, sambany hoy izy, hatramin’izay nahalehiben’ny Distrika azy, no nisy mpiasan’ny haino amanjerim-panjakana manana fitaovana maharaka ny toetrandro sy mifanaraka tanteraka amin’ny firimorimon’ny fandrosoan’ny teknolojian’ny asa amin’ny Onjampeo (Radio) sy ny Fahitalavitra (Télévision).
Nambaran’ity Lehiben’ny Distrikan’i Soalala ity fa : “tsy isalasalana hoy milaza fa mitondra aina vao sy fampandrosoana ny Distrika, eo amin’ny lafin’ny serasera sy fanarahana vaovao rehetra, ity ezaka ataon’ny Ministeran’ny Serasera ity. Tsara fahatongavana koa izany satria dia amin’ny izao ankatokin’ny fanomanana ny fifidianana izao no nahazo fitaoavana ny RNM sy TVM”.
Fisaorana ny fitondram-panjakana sy fankasitrahanany Minisiteran’ny Serasera, izay tantanin-dRAHAJASON Harry Laurent no namaran’ny Lehiben’ny Distrika ny fandraisam-pitenenany.
Ny Lehiben’ny Distrikan’ny Mitsinjo kosa dia namintina ny teniny tamin’ny hoe : «satria nyfampandrosoana feno ny serasera maharaka sy manaraka ny vanim-potoana serasera no vavahadin’ny fampandrosoana, na ara-politika na ara-toekarena indrindra eo amin’ny lafin’ny ara-tsosialy dia ny lafin’ny ara-piarahamonina sy fandriampahalemana».
Nisaotra sy nidera ny hitsim-po ananan’ity Minisitra Lehiben’ny serasera eto Madagasikara ity Lehiben’ny Distrikan’i Mitsinjo sady nanome toky “amin’ny fikajiana toy ny anakandriamaso ireo fitaovana vaovao vao azon’ny RNM sy TVM” any Mitsinjo ireo.
Raha nandray fitenenana kosa ny Talem-paritry ny Serasera eto Boeny dia nilaza tamin’ireo mpiara-miasa rehetra fa : “mitana ny teny nomeny ny Ministrin’ny Serasera ankehitriny, RAHAJASON Harry Laurent, fanamby napetrany , ny hampitovy lenta ny RNM sy TVM manerana ny Nosy, ka tanterany izany ankehitriny, porofo lehibe manamarina izany ny fahazoan’ny Distrika rehetra manerana ny Faritry Boeny Fitaovana sy Fotodrafitrasa (trano birao sy studio) vaovao avy amin’ny Ministeran’ny Serasera”.
Ny toromarika sy anatra ho an’ireo mpanao gazety aty amin’ny faritra kosa no nanombohan’ny Ministry ny Serasera RAHAJASON Harry Laurent sady zoky ihany koa eo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, ny fandraisam-pitenenany. Nambarany fa : “ilaina tokoa amin’ny sehatrin’ny asa fanaovan-gazety ny fahaizana sy fifehezana ny lalana mifehy sy mahakasika ity asa ity” (ordonnance 92 039 sy ny loi 90 031).
Nasiany resaka koa ny mahakasika ny fanararaotana sy fandreberebena ataon’ny mpanao politika ny mpanao gazety rehefa amin’ny fanomanana fifidianana toy izao : “mila mitandrina tokoa ny mpanao gazety mba tsy ho solafaka anatin’ny velampandrik’ireny mpanao politika ireny amin’ny alalan’ny vola”. Fotoana izao hoy hatrany ny Ministra hanehoana ny lanjan’ny asa fanaovan-gazety sy ny fitiavan-tanindrazan’ny tsirairay. Niantso ny rehetra izy noho izany ka nilaza fa : “sahia miteny sy mahay manaja ny lalana fototra mifehy ity asa ity”.
Nohamafisiny teo am-panolorana ireo fitaovana ireo fa : “an’ny Fanjakana ny fitaovana fa tsy an’ny mpiasa akory”. Izany no antony nanolorana izany eo anatrehan’ireo Lehiben’ny Distrika isan-tokony. Nampiany fa : “asam-panjakana no ampiasaina ireo fitaovam-panjakana ireo”.
Toy ny efa natao tamin’ny Distrika rehetra hatramin’izay dia ireto avy ny fitaovana natolotry ny Ministry ny Serasera ny RNM sy TVM amin’ny Distrikan’ny Soalala sy Mitsinjo :
- Camera Full HD - Solosaina core i3 miaraka amin’ny écran plat - Dictaphone numérique - Vata maro bokotra (table de mixage audio) - Radio sy télé - Miampy ireo kojakoja birao toy ny seza sy latabatra
Na dia tsy afaka nandeha mivantana tany Soalala sy Mitsinjo aza ny Minisitry ny Serasera dia nampanantena fa tsy maintsy ho tonga any hitokana ireo fotodrafitrasa vaovao (Birao RNM sy TVM) an’ny Ministeran’ny Serasera any an-toerana : «faniriako ny nandeha mivantana tany Soalala sy Mitsinjo nefa noho ny haratsian’ny lalana amin’izao fahavaratra izao dia tsy afa-manohatra ny tenako».
Ankoatr’io lanonana fanolorana fitaovana io dia nohararaotina ihany koa ity fotoana ity nihaonan’ny mpiasan’ny RNM sy TVM avy amin’ny manodidina nitafa sy nidinika mivantana tamin’ny Andriamatoa Minisitra RAHAJASON Harry Laurent. Fotoana nahafahan’ireo mpiasa vory tao an-toerana nitondrana ny hetahetan’izy ireo amin’ny fanatsarana amin’ny lafin’ny maha-olona ny mpiasa any an-toerana,teo ihany koa ny resaka
ara-teknika amin’ny fikojakojana ny «émetteur »sy ny «entenne ».Nohenoin’ny Ministra avokoa ireo rehetra ireo no sady nitondrany vahaolana sahaza azy avy ka afa-po avy hatrany ireo Delegen’ny Serasera amin’ny Distrika roa (Soalala sy Mitsinjo), ireto farany izay samy nanome toky amin’ny kalitaon’ny vaovao na fandaharana alefa amin’ny amin’ny RNM sy TVM foibe fa ho tsatsara kokoa manomboka izao.
Mahajanga, 29 Aprily 2013
Ny Sampandraharahan’ny Serasera Ministeran’ny Serasera
  • Univers Univers
  • Ebooks Ebooks
  • Livres audio Livres audio
  • Presse Presse
  • Podcasts Podcasts
  • BD BD
  • Documents Documents