26 juin 2013 communiqué de presse de Mme Lalao Ravalomanana
2 pages
Malagasy

26 juin 2013 communiqué de presse de Mme Lalao Ravalomanana

Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres
2 pages
Malagasy
Le téléchargement nécessite un accès à la bibliothèque YouScribe
Tout savoir sur nos offres

Description

Antananarivo, 26 jiona 2013 Madagasikara : andro fankalazana ny Fahaleovantena. Mitodika amin'ny fifidianana Filohan'ny Repoblika ny saina.

Informations

Publié par
Publié le 26 juin 2013
Nombre de lectures 1 162
Langue Malagasy

Extrait

Antananarivo, 26 jiona 2013
Madagasikara : andro fankalazana ny Fahaleovantena. Mitodika amin'ny fifidianana Filohan'ny
Repoblika ny saina.
Madagasikara, 26 jiona 2013: Nanao antso avo ny Kandidà Lalao RAVALOMANANA tamin'ny fetin'ny
Fahaleovantenam-pirenena, mba hanatontosana fifidianana malalaka sy mangarahara an-karihary ary mba
hamaranana izao fahasahiranambe amin'ny politika izao.
Ny hampiverina an'i Madagasikara amin'ny laoniny no tsinjovin-dRamatoa Lalao RAVALOMANANA, vadin'ny Filoha
teo aloha, amin'ny fifidianana voalohany manaja demokrasia hatao eto aorinan'ny nandrombahana miaramila ny
fahefana tamin'ny 2009. Mba hiverina mitombina sy marin-toerana ny politika, ary mba ho afaka hiroborobo ny
Firenena.
Hoy ny nambarany teto Antananarivo : "Andro iray toa zato ny andro ankalazana ny Fahaleovantena amin'ny Vahoaka
Malagasy. Andro ho amin'ny firaisan-kina sy fihavanana anatin'ny fitoniana sy ny fanantenana. Andro fampisehoana
amin'izao tontolo izao ny soa sy tsaran'ny Firenentsika. Amin'ny tany mandàla ny demôkrasia ary miaina pôlitika
mitombina sy marin-toerana no afaka tena hahaleotena marina. Tsy hita hotanisaina raha ny anjara zava-tsoa
entintsika ho an'izao tontolo izao, na amin'izato haren'ny fomba aman-kolontsaintsika, na amin'reto haren'ny tany sy
ny ranomasintsika. Tojo fitondrana baranahiny tanatin'ny taona vitsivitsy anefa i Madagasikara ka very hasina. Very
fatokisana azy ny eo an-tsehatra iraisam-pirenena".
"Andro fankalazàna ny androany. Sady andro araraotina koa hamelana ny lasa homba ny lasa, ary hisantarana
vanin-tantara vaovao ho an'i Madagasikara sy ho an'i Afrika. Mitsinjova lavitra isika. Mitsinjova mihoatra ny sisin-tany.
Raisontsika andraikitra ny olana mahazo antsika fa izany no hahazoantsika mitondra ny anjara biriky eo anivon'izao
tontolo izao, ary ahazoana manorina firenena mitombina marin-toerana, sambatra sy miroborobo".
Olon-kofidiana ho Filoham-pirenena Ramatoa RAVALOMANANA. Ny Ankolafy Ravalomanana, izay iombonan'ny
antoko maro, no nanolotra azy. Izy no olon-kofidiana tombanana ho mahazo vahana indrindra. Mifantoka amin'ny
fampitomboana ny vola miditra hampiasaina mivantana eto sy amin'ny fanampiana iraisam-pirenena ny hevitra entiny
ijoroana amin'ny fifidianana. Samy nitsahatra mantsy ireo hatramin'ny 2009 nandrombahan'ny mpitondra ankehitriny
ny fahefana.Matoky Ramatoa RAVALOMANANA fa vitany ny mitondra an'i Madagasikara ho zina ary hampody aminy indray ny
fitokisan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
Ramatoa RAVALOMANANA no vehivavy fahatelo mitondra fanjakana eto Afrika raha tafita mandresy. Ny haren-tsoa
koloin'ireo vehivavy mpitarika eto Madagasikara no ianteherany amin'izany, miaraka amin'ny fomba mampisongadina
ny anjara birikin'ny vehivavy eto amintsika.
Vadin'ny Filoha izay nitondra an'i Madagasikara tamin'ny 2002 - 2009 Ramatoa RAVALOMANANA. Ny mpitondra
ankehitriny no nanala taman-kery ny Filoha ary anisan'ny mirotsaka hofidiana ihany koa izy io na dia efa nilokaloka ny
tsy hirotsaka aza.
TAPITRA
Fanamarihana :
Ramatoa Lalao RAVALOMANANA dia kandidà hofidiana Filohan'ny Repoblika. Manolotra azy ny Ankolafy RAVALOMANANA izay
fivondronan'antoko politika samy mandàla ny famerenana ny fandriam-pahalemana, ny filaminana sy ny fampiroboroboana ny soan'i Madagasikara.
Tsidiho ny takelaka Flickr an'ny Ankolafy Ravalomanana : azo akana sary amin'ny sokajiny mazava. http://www.flickr.com/photos/96646855@N04/
Fifandraisana ahazoana vaovao ho an'ny gazety ny press@ravalomanana2013.com na ny +261 34 07 200 77.

  • Univers Univers
  • Ebooks Ebooks
  • Livres audio Livres audio
  • Presse Presse
  • Podcasts Podcasts
  • BD BD
  • Documents Documents